ActualitésTsidika

Alasora : Amboarina ireo lalana simba

Mitohy hatrany ny fanamboaran-dalana eto Analamanga amin’izao. Madalo eo Ankadimbahoaka sy By-Pass, izay ao anatin’ny kaominina Alasora, izao ny fanamboarana.

« Maneho ny fialan-tsiny noho ny fanelingelanana ateraky ny fanamboaran-dalana. Ho tombontsaon’ny rehetra izany ka tsara ny manaraka hatrany ny fandaminana » hoy ny fiadidiana ny Faritra Analamanga. « Somary niato izy ity andro vitsy satria mba hananana asa maharitra sy manarapenitra no tanjona. Tara « goudron » tsara efa vita omana avy eny amin’ny Colas no ampiasana. Teo amin’ny famatsiana izany no nisy fahatarana » hoy ny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery.

Isan’ny manampy sy miteraka fitohanana tokoa ity fanamboaran-dalana eto Antananarivo amin’izao ity. Miaritra kely anefa isika dia hisitraka ny lalana tsara ary hihena ny toham-boivoy aorian’izay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire