ActualitésTsidika

Ambohidrabiby: Anisan’ireo vohitra 12 manana ny mampiavaka azy

Anisan’ny iray amin’ireo tendrombohitra masina 12, mandrafitra ny eto Imerina, Ambohidrabiby, ary iray amin’ireo kaominina 16 mandrafitra ny distrika’avadrano. Somary mian’avaratra manaraka ny lalam-pirenena faha-3 no misy azy. Manana ny mampiavaka azy manokana ity vohitra ity na eo amin’ny lafin’ny ara-tantara na eo amin’ny fomba sy kolontsaina.

“Tanàna miorina eo antampon-tendrombohitra Ambohidrabiby. Araka ny lovantsofina dia nisy biby natahoran’ny olona ny vohitra toy ny fananimpitoloha izay nihodidina impito ny vohitra ny halavany sy ny songomby mivady ka nataon’ny olona ho « Ambohitrabiby ». Raha ara-tantara koa anefa, dia ireo mpanjaka malaza tao an-toerana, dia I Rabiby sy Ralambo no nanome ny anaran’ny toerana hoe Ambohidrabiby” hoy Christian, mpahay tantara.

“Ambohidrabiby no atao hoe « hasin’Imerina ». Eto an-toerana no nafenina mandrakizay doria ny hasin’andriana sy ny hasin’ny fanjakana merina. Ankoatra izay, teto an-toerana no nipoiran’ireo karazana fomba fanao teto Imerina izay noforonin’ny mpanjaka Ralambo sy mpanolontsaina tamin’izany, isan’izany ny fandron’Andriana sy ny fankalazana ny taom-baovao isaky ny fitsingerenan’ny vava alahamady, ny vady Alana ondrana, ny fanorona ary ny fihinanana sy ny fiompian’omby” hoy hatrany ireo mpahay tantara.

Anisan’ny mampiavaka sy hahafanatarana an’Ambohidrabiby ihany koa ny fanaovana lamba landy sy fanenomana, raha ny voalaza dia izy no renivohitry ny fanenomana lamba landy teto Imerina. Marihina moa, fa talohan’ny taona 2015, dia tsy mbola voasokajy ho kaominina Ambohidrabiby fa mbola nitambatra tamin’ny kaominina Talata volonondry. Amin’izao kosa efa kaominina mahaleotena tanteraka.

Laisser un commentaire