SocialTsidika

Asa vina fampandrosoana ny faritra Atsimo eo amin’ny sehatry ny fahasalamana

Notontosaina ny 11 sy 12 jona lasa ny fikaonan-doha lehibe ifotony ho an’ireo fampandrosoana ny faritra any Atsimon’ny Nosy izay notarihan’ny filoham-pirenena, natrehan’ireo olom-panjakana maro. Isan’ny faritra tena latsaka ambany tokoa mantsy ny faritra Atsimo raha mitaha ny faritra hafa noho izy lavitra andriana loatra hoy ny mponina iray tany Androy. Sehatra vmaro no hitondrana fampandrosoana any an-toerana ka isan’izany ny eo eo amin’ny lafin’ny ara-pahasalamana. CSB miisa 21 sy toeram-pitsaboana hafa miisa 3 no vinavinaina hatsangana any amin’ny faritra Androy sy Anosy. Eo ihany koa ny fisian’ny fandrindram-piterahana maimaimpoana. Tsy izay ihany anefa fa eo ihany koa ny toby fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana na CRNM ao Amboasary izay natao hitiliana sy handraisana an-tanana ireo olona izay tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra. Nilaza ny Minisitry ny Fahasalamana fa hanao ny ezaka rehetra hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana omena azy ireo miainga amin’ny filàna avy eny ifotony. Mbola namafisin’ny filoham-pirenena ireo ny alina teo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire