ActualitésTsidika

Tsy fandrim-pahalemana any Manja Menabe

Isan’ny tena mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara ny tsy fahampian’ny tafika Malagasy, ny fitaovana ampiasaina mandritra izany, ny faharatsian’ny lalana ka manasarotra ny famonjena ireo lasibatra. Mitaraina ankehitriny ny mponina any Manja Menabe noho izay antony izany satria sady tsy misy miaramila any an-toerana hany ka mahazo vahana sy manao izay tiany hatao ny jiolahy. Hoy anefa ny manam-pahefana any an-toerana manoloana izany: « samia mananatra ny zanany fa tsy vahaolana ny fanafarana miaramila ». Vahaolana tokoa ve izany? satria tsy maintsy ny zanak’ireo ihany no jiolahy ? Avy aiza ihany koa ny olana mampirongatra azy ? Avy amin’ny fanabeazana ny mponina eny ifotony ve ? Vao tsy ela akory izao no nisehoan’ny fanafihana tokatrano iray tany Manja. Noteren’ireo jiolahy hamoaka sy hanome ny basin’izy ireo ny tompon-trano ary nanapoaka izany vantany vao naharay ilay basy. Very hevitra tanteraka izahay aty Manja, ny tompon’andraikitra tsy mandroso vahaolana ankoatra ny fananarana ny zanakin’ny mponina ihany, efa misy anefa ireo napetrakin’ny firenena hiaro ny vahoaka hoy ny raim-pianakaviana iray tany Manja. Inona no vahaolana ho azy ireo ? Iza no tompon’andraikitra amin’ny fiarovana azy ireo ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire