Ny fahasimban’ny lalam-pirenena faharoa
Ambara ombieny ombieny fa ny fahatsaran’ny lalana no antokin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy vitsy anefa ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa izay mampitohy an’Antananarivo Toamasina no mitaraina noho ny faharatsian’ny lalana. Isan’ny misakana ny famokarana aty Toamasina izao lalana ratsy be izao sady loaka mila tsy ho afaka ny fiara hoy ny mpamily iray. Nisokatra ihany ny lalana saingy tokony talohan’ny nisokafan’ny lalana dia efa tokony nojerena izao raha ny nambaran’ny mponina iray tao Brickaville. Ny mpitondra rahateo variana any Atsimo indray amin’izao kanefa azo lazaina fa mila fanamboarana haingana ity lalam-pirenena faharoa simba ity izay tsy manaraka ny fenitra amin’ny maha lalam-pirenena azy. Mety hiteraka fitohanana mihitsy aza raha mitohy ny fahasimbàna. Miantso ny tompon’andraikitra araka izany ireo mpampiasa lalana sy ireo mponina any an-toerana satria mitàna anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny faritra ity lalana ity.
Nicole Rafalimananjara
