PolitiqueTsidika

60 taona izay no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy i Suisse

Fifanarahana efa nanomboka tamin’ny fitondran’i Filoha Philibert Tsiranana no nisy teo amin’i Madagasikara sy i Suisse. Ny masoivohon’i Suisse voalohany teto amintsika no nanome ny taratasy mikasika ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’ny roa tonta ny 3 jona 1961. Nandritra izay 60 taona nanaovan’i Suisse tetik’asa teto amintsika izay dia miisa 60 ireo ONC an’i Suisse eto amin’ny nosy. Ireto ONG ireto dia miasa amina sehatra maro ho amin’ny famapndrosoana ny ara-tsosialy, ny tontolo iainana ara-toe-karena. Miisa 602 kosa ankehitriny ny Malagasy monina any Suisse amin’izao raha toa ka 511 ny avy any Suisse monina eto amintsika. Nilaza ireo Malagasy mipetraka any an-toerana fa tena mahafinaritra tokoa raha ny mipetraka any Suisse, na ny mponina izany na ny lafiny tontolo iainana. Mampandroso tokoa ny fifandraisana ary mitondra lavitra ny firenena, saingy ny fifandraisana amin’ny efa mandroso no tena tsara mba handrosoana ihany koa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire