SportTatitra

France : Nibata ny amboara tamin’ny Roland-Garros i Novak Djokovic

Norobahan’i Novak Djokovic ny amboara tamin’ny Roland-Garros ho an’ity taona ity, teo amin’ny taranja tennis. Omaly no nahatanterahan’ny lalao famaranana tamin’izany izay nifanandrinany tamin’i Stefanos Tsitsipas. Efa saika raraka ihany i Novak Djokovic teny ampiandohan’ny lalao satria nitarika foana i Stefanos Tsitsipas nandritra ny « set » roa voalohany (7-6 sy 6-2). Nivadika ny lalao ka naharesy tamin’ny isa 6-7, 2-6, 6-3, 6-2, 6-4 i Novak Djokovic. Ity no amboara faha19 azon’ity mpandresy ity tamin’ny lalao lehibe “tournois du Grand Chelem”, ary ny faharoa tamin’ny Roland-Garros.

Laisser un commentaire