ActualitésTatitra

Danemark : Tsy maintsy manaraka ny fiofanana amin’ny fahaizana mitsapa izay tsapan’ny hafa ny ankizy

Tsy maintsy manaraka ny fiofanana ny fomba fifanohanana amin’ny tena sy amin’ny hafa (empathie) ny ankizy 6 hatramin’ny 16 taona any Danemark. Ny fahatsapana ny zavatra tsapan’ny hafa dia tena zava-dehibe tokoa ho an’ny fampiraisana ny mponina any Danemark mba hahaizan’izy ireo mifanohana hatrany ka tsara raha dia efa any amin’ny fahazazana dia hampianarina azy ireo. Ary ihany koa mba hampitsaharana ny fitsarana sy fanambaniana ny hafa ka ho tsara taiza ny vahoaka any an-toerana. Ity firenena ity dia sokajiana ao anatin’ny firenena telo sambatra indrindra maneran-tany raha ny tombana navoaka ny taona 2017, sambatra satria manana ny ampy no manana vahoaka mifankatia sy mifananja. Ora iray isan-kerinandro no fotoana natokana ho an’ny ankizy any am-pianarana hianarana ny “fahaiza-mifanohana”. Miseho amin’ny endriny maro ny lohahevitra mandritra ny fampianarana toy ny fahaiza-mihaino ny hafa, fahaiza-manampy, ny fifanohanana hatrany, ny fahaiza-mahatsapa ny tsapany, ny fahaiza-mifankahazo. Mahatsapa ny tsapan’ny hafa anatin’izany ny alahelo, ny tahotra, ny hafaliana, ny hatezerana, ny tebiteby sy ny maro hafa.

Laisser un commentaire