SocialTatitra

Etats-Unis : Navelan’ny fanjakana amerikana hijery ny « eclipse solaire » ireo voafonja

 Gadra miisa enina ao amin’ny fonja amerikanina any Woodbourne, any New York no nangataka mba hijery ny fanakonan’ny volana ny masoandro tanteraka (éclipse solaire totale) tany Etats-Unis, omaly alatsinainy. Nomen’ny fanjakana any an-toerana halalana izy ireto araka izany. Tamin’ny herinandro lasa teo, nanao fangatahana tamin’ny tomponandraikitra tany an-toerana ireto gadra ireto mba hijery izany tranga izany. Ireo tomponandraikitra ireo izay efa nanao fanambarana fa tsy mahazo mivoaka, fa mihiboka avokoa ireo voafonja mandritra ny fisian’ny éclipse solaire, hisorohana ny mety fisian’ny fitsoahana sy ny fihoaram-pefy samihafa, izay naomboka tamin’ny 2ora kahatramin’ny 5ora (ora tany an-toerana). Noho ny antony ara-pinoana anefa, izay manaraka lalàna federaly any an-toerana, dia nomena halalana hijery éclipse ireto farany ary nomena solomaso nahafahany mijery izany.

Laisser un commentaire