Anosy Avaratra : Niroso tamin’ny fanoloana ireo takamoa tsy mandeha ny kaominina
Niroso tamin’ny fanoloana ireo takamoa maty rehetra tao an-toerana ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina Anosy Avaratra, ny faran’ny herinandro teo. Ao anatin’ny fanavoazana ny tanàna sy ho fitandroana ny fahalemana no nanaovana izany, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina, dia mihaino sy mamaly ireo fangatahan’ny mponina ny tomponandraikitra momba ireo jiro tsy mandeha amin’ny lalana. Izany indrindra no nirosohana amin’izao hetsika fanoloana ny jiro izao, mba ho antoky ny fandriam-pahalemana ihany koa » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Tena ilaina be ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Ny jiro no antoky ny fandriam-pahalemana ka rehefa mazava ny tanàna dia milamina kokoa ny tanàna. Na izany aza anefa tokony ampiana isa izy ireny, indrindra amin’ireo faritra tena mbola maizina sy be mpivezivezy, tokony jerena akainy » hoy i Jocelyne, mponina ao Anosy Avaratra.
Raha tsiahivina, anisan’ny nametraka jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro tao an-toerana ny avy amin’ny kaominina. Lasibatry ny fangalarana anefa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ilàna fiaraha-mientana araka izany ny fikojana sy ny fanaraha-maso ireo jiro ireny satria fananana iombonana.
