Fifidianana solombavambahoaka
Nametra-pialana ireo minisitra fito ho kandida tamin’ny 11 aprily. Sahondrarimalala Marie Michelle (Fanabeazam-pirenena) ao amin’ny distrikan’i Fianarantsoa I; Lalatiana Rakotondrazafy (Fanabeazana teknika sy fanofanana arak’asa) ao Faratsiho; Haingo Elisabeth Fomendraza (Ny mponina sy ny firaisankina) ao Ambositra; Justin Tokely (Intérieur) à Sambava ; Andriamanantena Rakotoharison (Fampianarana ambony sy fikarohana siantifika) ao Ampanihy; Augustin Andriamananoro (Fifandraisana sy Kolontsaina) eto Antananarivo I; ary Haja Resampa (Tanora sy Fanatanjahantena) ao Morondava.
Nikatona omaly ny fanolorana ny firotsahan-kofidiana ho an’ny OVEC amin’ny fifidianana ireo depiote 163 eny anivon’ny Antenimierampirenena.
