Vazaha iray namboly rongony tao an-tranony
24 Jona, 10h05. Mihatra amin’ny rehetra ny lalàna amin’ny fivoratana zava-mahadomelina. Vahaza iray no tratran’ny mpitrandro ny filaminana namboly ny rongony atao hoe « Skunk » tao an-tranony. Monina eny Analamahitsy ity lehilahy tera-tany vahiny 41 taona ity ary efa mpamboly sy mpivarotra izany zava-mahadomelina izany ny tenany.40 000ar ny grama no hamarotany azy ary eny amin’ny faritra Ambatobe sy Analamahitsy iny no toerana fivarotany. Miezaka hatray ireo mpitandro ny filaminana niady amin’ity asa ratsy ity.
