Oniversiten’i Toliara: Mitohy hatrany ny hetsika fitakiana ataon’ny mpianatra
25 Aogositra, 17h00, Nanao hetsika fitakiana indray ireo mpianatry ny anjerimanontolo Maninday Toliara, taorian’ny hetsika fanakanany ilay fifaninana iraisam-pirenena natao tao an-toerana ny herinandro lasa teo. Amin’izao fotoana izao dia mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana telo volana ireo mpianatra, ny famerenana amin’ny oniversite ny fandoavana ny vatsim-pianarana, ny fiandrasana ny fankatoavana ny mari-pahaizana Master ho an’ireo mpianatra miisa 740 ary ny fanamboarana ny tranon’ny mpianatra bloc 42 sy 43. Nisy ny torabato tany an-toerana nandritra izany ka nahatonga ny mpitandro ny filaminana nanapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso.
