BNGRC : Olona iray no maty noho ny rivo-doza Gombe
10 Martsa, 11h00. Olona iray no namoy ny ainy noho ilay rivo-doza farany teo amin’ny kaomina ambanivohitr’i Antsahabe, distrikan’Antsohihy. Olona iray kosa no mbola tsy hita izay nentin’ny rano tao Antombana, distrikan’Antalaha raha ny fantatra.
Mahatratra 935 kosa ny tra-boina izay mitsinjara amin’ny faritra telo, Sava, Analanjirofo ary Sofia. Tsy nisy kosa ireo traboina noraisina teny amin’ny toerana voatokana handraisana azy ireo.
