Dépêches

Betafo Antsirabe : Vehivavy iray nitondra zaza saika ho atao takalon’aina no voasambotry ny polisy

10 Martsa, 10h30. Nisy olona nisavorovoro marobe teo anoloan’ny biraon’ny polisim-pirenen’i Betafo Antsirabe ny alin’ny alarobia 09 martsa tokony tamin’ny 07 ora teo ho eo. Niandry ny tohin’ny vaovao nikasika vehivavy iray tratra, izay voalaza fa nitondra zaza ho atao takalon’aina izy ireo raha ny fampitam-baovao.

Fiaraha-miasa avy amin’ny zandarimarian’i Mandoto sy ny polisim-pirenen’i Betafo kosa no nazahoana azy ny omaly ihany. Efa tafaverina soa aman-tsara amin’ny ray aman-dreniny ny zaza, ary tsy nisy vola naloa. Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana mikasika ity raharaha ity.

Laisser un commentaire