ActualitésTsidika

Fampianarana ambony : Natomboka anio ny fizarana ny vatsim-pianarana tao Fianarantsoa

Nandray ny vatsim-pianarany sy ny famatsiana ara-pitaovana (équipement), nanomboka androany ireo mpianatra ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Ireo mpianatra ao amin’ny taona faha-5 sy faha-6 ao amin’ny Fakiolten’ny mpitsabo ary ireo taona faha-5 amin’ny fakiolte hafa rehetra no nisantatra izany.

« Toy ny mahazatra ihany ny fandoavana ity vatsim-pianarana ity. Tonga ety amin’ny Oniversiten’Andrainjato ireo mpianatra maka izany » hoy ny avy ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. « Amin’ny alatsinainy izao no manomboka ny fandoavana ny vatsim-pianarana amin’ny karatra E-Poketra. Mbola misy alamina kely ka izay no tsy nahatontosa azy androany. Amin’izay rahateo vao vita ny fandraketana ny mpianatra rehetra » hoy ny tompon’andraikitra.

Marihina fa mbola tsy ao anatin’ireo lisitra afaka mandray vatsim-pianarana ny taona voalohany vao nisoratra anarana farany teo. Miezaka mametraka fandaminana hatrany ny ao amin’ny Oniversite tsy hisian’ny olana toy ny tamin’ny taon-dasa intsony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire