Miss Monde 2021 : Efa manakaiky ny fifidianana
Andiany faha 70 amin’ny Miss Monde ny Miss Monde 2021. Hotontosaina ny 16 desambra izao ao Coliseo José Miguel Agrelot, ao San Juan ao Porto Rico izy. Vehivavy 103 avy amina firenena samihafa no hifanandrina amin’izany.18 taona no zandriny indrindra amin’ireo ary 28 taona no zokiny indrindra. 1 metatra sy 63 kosa no fohy indrindra izay Miss Pays Bas, Lizzy Dobe, 21 taona ary 1 metatra sy 84 kosa no lava indrindra dia ny Miss République tchèque, Karolína Kopíncová, 23 taona.
