ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Vehivavy iray hita faty tao amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo

Vehivavy iray tsy nisy aina intsony, ary efa simba tanteraka, no hitan’ny fokonolona tao Andohatsalalina, fokontany Ambohimahatsinjo ao amin’ny kaominina Ambohimanambola, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tsy nisy nahafantarana ny momba azy, ary tsy fantatra mazava ny antony nahafaty ity vehivavy ity, raha ny voalaza.

« Ny alakamisy teo no nahitan’ny fokonolona azy, izay vehivavy fotsy fihodirana, manodidina ny 30 taona eo. Tsy nisy nahafantarana azy tsony mihitsy satria efa simba tanteraka ny vatany tapany ambony. Ny ankanjo sisa teny aminy no nahafahana nanao fampilazana » hoy i ireo mponina teo amin’ny manodidina.

« Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny tranga niseho teny amin’ny fokontany Ambohimahatsinjo ity. Maro ireo antony mety nahatonga ny tranga ary efa eo ampanaovana ny fanadihadiana mahakasika izany ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana » hoy ireo avy amin’ny zandarimaria.

Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo avy amin’ny fokontany sy ny mpitandro ny filaminana ary ny tobi-pahasalama ao Ambohimanambola manoloana izao tranga izao. Misokatra kosa ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire