ActualitésTatitra

La Réunion : Efa azo ahondrana indray ny manga « péi »

Tsy nahazo nahondrana nanomboka ny taona 2019 teo ny manga zana-tany tao La Réunion noho izy simban’ny lalitra « dorsalis » izay manatody ao anaty voankazo nofosana. Niverina indray ny fahazoana alalana hanondrana ny alatsinainy teo. Avy amin’ny fanondranana no ahazoan’i La Réunion ny ampahatelon’ny vola miditra ao an-toerana. Misahana 30% ny fidiram-bola ao an-toerana kosa ny fanondranana manga.Nohatsarain’izy ireo kosa ny fikirakirana ny vokatra. Maka fitaovana manara-penitra ao Danemark izy ireo, izay manaraka ny fenitra napetraky ny fanjakana. Hafanaina 47°C mandritra ny 15 minitra ao anatin’iofitaovana io ny manga, ary averina zahana rehefa izy mafana iny alohan’ny hampagatsiahana azy sy hametahana « étiquette » aminy.

Laisser un commentaire