Maroc : Lehilahy mpizaha tany frantsay iray no namono ny zanany roa tao an-toerana
Fatin’ankizy roa 9 sy 13 taona no hita tao an’efitra hotely lehibe iray tao Marrakech. Hita teo akaikin’izy ireo ihany koa ny rainy, 72 taona izay tsy nahatsiaro tena (coma).
Tsy nahitana marika herisetra ireo zaza roa namoy ny ainy ireo ankoatran’ny marika tsindrona iray avy tao amin’ny lamosiny. Raha ny petrakevitry ny DGSN (Direction générale de la Sûreté nationale) dia famonoana olona sy fikasana namono tena io tranga io. Marihina fa mpitsabo mpanampy efa misotro ronono io raim-pianavakiana io ary nanana ny fitaovana fanindromana izay mbola hita teo amin’ny toerana nisehoan’ny loza.
Nahitana taratasy nanazava ny anton’io famonoana zanaka io tao an’efitry ny hotely ireo polisy nandritra ny fandehanany tao an-toerana. Voarakitra tao fa olana ara-pianakaviana no anton’izany. Mbola eny amin’ny toeram-pitsaboana kosa ilay raim-pianakaviana nahavanona ny loza.
