ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Roalahy nikasa hangalatra no tratran’ny zandary

Telo lahy no nikasa hangalatra tao amin’ny tokatrano iray tao amin’ny fokontany Ikianja, kaominina Ambohimangakely, ny faran’ny herinandro teo. Noho ny fahamailon’ny tompon-trano anefa, dia niantso ny avy ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ireto farany ka tafatsoaka nandositra ny iray, araka ny voalaza.

« Ny alin’ny 31 martsa hifoha 01 aprily no nahazo antso ny lehiben’ny tobim-paritry ny zandary fa misy mpangalatra ao amin’ny tokatrano iray. Miisa telo ireo mpangalatra hitan’ny tompon-trano. Rehefa natao ny fikarohana dia tratra ny roa tamin’izy ireo raha mbola karohina kosa ilay namany iray » hoy ny avy amin’ny tobi-paritry ny zandary ao Ambohimangakely.

« Efa tena tsy milamina intsony ny tanàna amin’izao fotoana izao. Mila mailo hatrany ny rehetra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ary tokony hiray hina, hiara-hientana hifampilaza amin’ny mpitandro filaminana mba mora hanatratrarana ireo olon-dratsy » hoy i Fano, mponina ao Ambohimangakely.

Niakatra ny fampanoavana ny alatsinainy teo moa ity raharaha ity. Marihina fa tsy mbola nisy ny entana voaroban’ireto olon-dratsy ireto vokatry ny hafainganana teo amin’ny fiaraha-miasan’ny mponina sy ny zandary.

Manitra R.

Laisser un commentaire