SocialTsidika

OMDA : Misy rindrambaiko vaovao hitantanana ny zon’ny mpamorona

Hampiasa rindrambaiko na « logiciel » vaovao sy mifanaraka ny vanim-potoana ankehitriny ny ao amin’ny OMDA eo amin’ny lafin’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona.

Nahazo rindrambaiko vaovao tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena momban’ny fananana ara-tsaina izay any Genève ny OMDA na ny mpiaro ny zon’ny mpamorona. Rindrambaiko izay mikasika manokana ny fitantanana ny zo mifandraika amin’ny sangan’asa an-tsoratra sy amin’ny sary, ampiasaina izy ity mba hanamora ny fiotantana ny zon’ny mpamorona sy ireo zo mifandraika amin’izy. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny fametrahana ratsamangaika any amin’ny faritra ny OMDA amin’ity taona ity toy ny any amin’ny faritra Androy, Anosy, Melaky, Menabe mba handrakotra ny faritany nationaly.

Manantena ny tena hampahomby ity tetikady vaovao an’ny OMDA ity moa ny mpanakanto sy ny mpamorona maro mba ho tena hiaro ny zon’izy ireo tokoa. Ny avy ao amin’ity birao misahana ny zon’ny mpanoratra ity kosa nanambara fa ny mpanoratra sy ny mpamorona sy izay ao anatin’izany asa famoronana izany dia ho voatanisa ao anatin’ity rindram-baiko ity avokoa ary ny sangan’asa rehetra koa ho voasoratra anarana ary hanana laharana tokana izay hanamora ny fanarahana azy na any amin’ny firenena hafa aza. Mahakasika ny haino amna-jery kosa dia nila ny filohan’ny OMDA, Haja Ranjarivo fa mbola anaty fifanarahana tanteraka amin’ireo haino aman-jery ireo ny amin’ny fisitrahan’ireo mpanoratra ny vokatry ny asan’izy ireo.

Efa miroso tsikelikely amin’ny fanarahana ny fenitra ny eo anivon’ny mpiaro ny zon’ny mpanoratra ankehitriny saingy ny vahoaka mihitsy no mila hampianarina tsy hividy sy hanjifa sangan’asa sandoka ka hanjifa ny tena izy izay nisasaran’ny mpamorona azy. Ary hamafisina ny ady amin’ny fanaovana piraty na hosoka ny asan’ny mpanoratra sy mpamorona.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire