ActualitésTsidika

Mahitsy : Raim-pianakaviana matin’ny jiolahy

Maty tsy tra-drano ilay lehilahy iray maty notifirin’ny jiolahy teny Mahitsy rehefa voaroba ny trano fivarotany.

Tao Ambohimilemaka Mahitsy no nitranga ny tantara. Rehefa avy nanao ny asa ratsiny ny jioalahy, notifirin’izy ireo teo amin’ny tratrany ilay tompon’ny fivarotan’omby norobainy. Mitentina roa tapitrisa ariary ny vola nangalarin’izy ireo tamin’izany. Novakian’izy ireo ny varavarana ary nangataka vola tamin’ilay raim-pianakaviana izy ireo. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy rehefa tsy nahazo valiny ka izao nitarika fahafatesana izao.

Marihana fa fitaovam-piadiana mandeha ho azy « arme automatique » no nampiasain’ireto jiolahy ireto. Nisy nampandre ihany ny sefon’ny zandary teny an-toerana saingy efa tara, efa tafaporitsaka ireo olon-dratsy.

Tokony jerena akaiky ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eto Madagasikara. Manana izany avokoa ny jiolahy raha ny vaovao miparitaka hita sy tsikaritra. Raha ny tokony ho izy anefa ny mpitandro filaminana irery ihany no tokony hisitraka izany. Aiza ho aiza ny fandraisan’andraikitry ny Zandarimariam-pirenena manoloana izao tsy fandriam-pahalemana be loatra izao: ny jiolahy manana basy, ny vahoaka mihorohoro.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire