Canal de Pangalanes : 430 km nohavaozina, mbola mitohy ny asa fanavaozana
Noho ny asa fanadiovana natao teo amin’ny Canal des Pangalanes izay notanterahin’ny « Agence Portuaire Maritime et Fluviale » (APMF) sy ny Ministeran’ny Fitaterana dia efa azon’ireo sambo milanja 40 taonina, mirefy 40 metatra ny halavany, 4 metatra ny sakany, ny mandeha amin’ny lalan-drano mampitohy an’ny seranan-drenirano ao Manangareza (Toamasina) sy ao Mananjary.
Ny taona 2019 no efa nanomboka ity asa fanadiovana sy fanarenana ny Canal des Pangalanes ity. Nisahana tamin’ny fanalàna ireo zava-maniry ao anaty rano izay nameno ity Canal ity ny asa natao toy ny natao tao Andringitra PK 183 izay nanadiovana hatrany am-potony ny renirano mba hanatsarana ny fandehanan’ny rano. Nanaovana asa fanadiovana ihany koa ny seranana tao Manangareza, Antsarakofafa, Ambodisaina, Ambinanivolo, Analamotsy, Salehy teo amin’ny fifandraisan’ny renirano Fanantara ao Ambohitsara ary teo amin’ny fidirana sy ny fivoahan’ireo farihy Rasoamasay, Rasoabe, Rangazavaka ary ny teo amin’ny fidiran’Ampaho.Ankotr’ireo asa fanadiovana, nanaovana asa fanapahana ratsan-kazo (travaux d’élagage) ny tao Befarasy hatrany amin’ny farihin’i Ihosy.
Raha ny asa fanalana ireo fakofako isan-karazany nentin’ny riaka no natao tao Toamasina sy tao amin’ny Farihy Anampotsy.Araka ny fanazavana, ny refy farany ambany amin’ity Canal ity dia toy izao : halavany 430 km eo anelanelan’ny seranan-drenirano Manangareza sy Mananjary dia 12,5 metatra ny sakany ary ny halaliny 1,5 metatra. Araka ny fanamarihana natao,ny APMF no misahana ny fikojakojana tsy tapaka ity lalan-drano nohavaozina ity. Tanjona amin’ny hanaovana izao asa fanamboarana izao ny hahafahana mivezivezy ao Toamasina hatrany Farafangana. Marihina ihany koa fa efa natomboka ny asa fanadiovana any Mananjary, ao Loholoka (PK 473+700). Mbola mitohy hatramin’izao ny asa fanamboarana ny Canal des Pangalanes.
Sitraka Rajaonarivony
