Rocade Iarivo : Fanonerana ny tany izay nampiasain’ny fitondram-panjakana
Mbola tsy vita ny fanonerana ny ampahan’ny betsaka amin’ireo tany izay nananganan’ny fitondram-panjakana fotodrafitrasa.
Ny 66 isan-jaton’ireo tany voakasiky ny fananganana ny làlana indrindra ny eny amin’ny Rocade Iarivo no tsy mbola nahazo ny fanonerana tany amin’ny minisitera hatramin’izao, ny antony izay avy amin’ireo antontan-taratasy izay takian’ny lalàna mifehy ny fananan-tany. Ny fanamboarana ny Rocade Iarivo izay làlana mampitohy an’i Andranobevava sy Amoronakona ka miisa 738 ny tany voakasika tamin’izany ary 250 tamin’ireo ihany no vita ny fanonerana noho izany niroso tamin’ny famoahana ny didim-panjakana laharana 2021-689 ny avy ao amin’ny minisiteran’ny fananjarian ny tany sy ny asa vaventy izay vahaolana entina amin’ny fanonerana ny tany nampiasain’ny fanjakana.
Mitaraina ny amin’ny tsy mbola nahazoana ny fanonerana ny taniny ireo olona izay voakasika tamin’ny fananganana ny Rocade Iarivo amin’izao fotoana izao kanefa ny làlana dia efa vita sy efa notokanana. Hoy kosa ny talen’ny fananantany : « Efa ao amin’ny trésorier efa ny volan’ireo tompon’ny tany fa ireo olona no tsy nahatafavoaka ny taratasy teo am-pelantanany dia tsy maintsy natao ny asa fa na izany ary ilay faritra izay nampiasain’ny fanjakana io resahan-tsika hatao fanonerana io na dia efa vita aza ny asa ary dia mitohy ny fanonerana an’ireo tany ireo » ary nampiany fa hisy ny fihaonan’izy ireo amin’ireto voakasika mba hamahana ny olana.
Mila karakarain’ireo tompon’ny tany tsara noho izany ny taratasy izay ahazoana ny fanonerana ny taniny satria raharaham-panjakana izy ity ka tokony tsy atao atsirmbina na ny kely monja. Tsara kokoa ny nahampahafantarana ny taratasy nilaina nialoha sy nandritra ny fanamboarana ny làlanamba hialana ny toe-javatra toy izao.
Anja Raharimalala
