ActualitésTsidika

Kaominina Antananarivo Renivohitra : Nankasitraka ireo mpianatra mendrika tamin’ny fanadinana CEPE

Nahazo mari-pankasitrahana sy fanomezana avy amin’ny ben’ny tananan’Antananarivo Renivohitra sy ny vadiny avy ireo ankizy mpianatra nahazo vokatra tsara tamin’ny fanadinana CEPE tato anatin’ny boriborintany 6 eto Antananarivo.

Fanampiana ny mpiara-belona no tanjona mila indraindrain’ny mpitondra fanjakana. Miantomboka amin’ny kely indrindra izany. Hoy indrindra ny vadin’ny Ben’ny tanàna : « omena fankasitrahana ny mpianatra mendrika mba hanomezana fahazotoana azy sady mba entina hanampiana ireo Ray aman-dReny sahirana amin’ny fampidirana mpianatra ». Etsy ankilany anefa misy ireo tsy mankasitraka, hoy i Vanessa, mponina ao Tsimbazaza, mahakasika izany : « tsy ilaina ny fiheboeboana tahaka izao rehefa mbola mahantra ny ankamaroan’ireo mponina ao amin’ny faritra hiadidiana fa mampieritreritra hoe volanay ihany izao no nolaniana tamin’izao zavatra izao ».

Fihetsika ely hahazoana fahafinaretana itony fihetsika itony. Ilaina foana ny manolotra maripankasitrahana ho an’ireo mendrika mba hampilofo azy hatrany sy hampiezaka ny hafa. Tsy eo amin’ny sehatra toy itony irery anefa ziany no ilaina fan ao anaty tokantrano tsirairay aza.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire