ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Anisan’ny mandray anjara amin’ny atrik’asa momba ny fitantanana ny fako

Nosokafana ny Alatsinainy faha 12 septembre 2022, lasa teo, tao amin’ny faritry vakinankaratra ny atrik’asa momba ny fitantanana ny fako izay iarahana amin’ny Cooperation Allemande (WHH). Ahitana ireo kaominina sy tanan-dehibe 28 eto madagasikara AMGVMA no mandray anjara ao anatin’izany ka anisany tafiditra amin’izany ny kaominina Ambohimangakely.

« Atao hoe lalana misokatra amin’ny fampandrosoana ny kaominina tokoa ny fandraisana anjara tahaka izao.Ny andrasana amin’ny atrik’asa ity dia ny fiantraikan’izany mivantana amin’ny fiainana andavan’andron’ny mponina » hoy i Daniel, tomponandraikitra amin’ny fokontany.

« Tsy vao voalohany aloha no nahenoana hoe misy atrik’asa mandeha, fa ny tena andrasana amin’ny tahaka izao dia ny fampandraisana anjara ny mponina mba hisy vokany tokoa ilay zavatra natao. Mba hisy fiovana sy fiantraikany eny ifotony izany » hoy i Sahaza, mpirotsaka an-tsitra-po mifototra amin’ny fampandrosoana ifotony.

Kaominina sy tanan-dehibe maro eto amin’ny nosy no hisatraka ity atrik’asa ity. Mety hitondra fanovana goavana araka izany ity atrik’asa ity indrindra mahakasika ny fitantanana ny fako izay anisan’ny olana goavana hatrehin’ny rehetra ny famahana ny olan’ny fako eto Madagasikara.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire