Suède : Misy fiantraikany ratsy eo amin’ny torimaso ny fihinana sakafo tsy ara-pahasalamana
Misy fiantraikany betsaka amin’ny torimaso ny sakafo hanin’ny olona iray. Raha ny fikarohana nataon’ny oniversite tao Uppsala dia manaratsy ny torimaso ny fihinana sakafo tsy ara-pahasalamana (malbouffe), ratsy kalitao na be kaloria loatra.
Mbola tsy nisy fikarohana nanamarina fa manaratsy ny torimaso ny fihinana sakafo tsy ara-pahasalamana hoy i Jonathan Cedernaes, isan’ireo nanao fikarohana hatramin’ny nampitahana ny torimason’izy ireo amin’ny olona misakafo ara-pahasalamana. Marihana fa tovolahy 15 tomady tsara no nanaovan’izy ireo ny fikarohana. Misakafo ara-pahalasamana tsara izy ireo saingy tao anatin’ny 7 andro dia nomena « junk food » feno kaloria.
Notsoahin’ireo manam-pahaizana tao anatin’izany fa ny olona mihinana sakafo ara-pahasalamana dia manana « d’activité cérébrale à ondes lentes » izay mahatonga azy hatory tsara. Ankoatra ny torimasao kosa nampitandrina ny mety ho voka-dratsy ny sakafo tsy ara-pahasalamana amin’ny fahasalamana amin’ny ankapobeny izy ireo.
