Start-up Week-end: Ora sisa no andrasana dia hanomboka izany
Anio amin’ny 5ora sy sasany ny fotoana. Hanomboka ny Start-up week-end amin’ity volana martsa ity izay marihina fa mahakasika ny “économie sociale et solidaire” indray ny lohahevitra horaisina amin’ity andiany manaraka ity. Ao amin’ny CCIA Antaninarenina no hanatanterahana izany ka mivoha amin’ny 5ora sy sasany hariva ny varavarana.
Hanomboka amin’ny 6ora kosa ny fandraisam-pitenenan’ireo tompon’andraikitra amin’izany arahin’ny fotoana handraisan’ireo “speakers” fitenenana indray. Hitohy amin’ny “pitchs” ary hifarana amin’ny fisafidianana ny tetik’asa entina hananganana ny ekipa hahafahana manomboka miasa avy hatrany mandritra ny 54ora tsy ankiato.
“Efa vonona avokoa ny mpanohana rehetra isan-tokony. Ny vonona ny lafiny ara-teknika. Ny mpandray anjara efa maro no nisoratra anarana ary amin’izao fotoana izao dia efa miandry ny ora sisa hahafahana manomboka sy mandray ireo mpandray anjara sy ireo mpanatrika tsirairay”, hoy i Hasina Razafintsalama, mpikarakara.
Etsy andanin’izany anefa dia mbola misokatra hatrany ny fisoratana anarana ho an’ireo izay mbola tsy nahavita izany.
Miora Raharisolo
