Maurice : Ahiana tsy ho tonga ilay fiaramanidina nafarana
Miomana amin’ny fandraisana ireo fiaramanidina roa « aéronefs » ny Air Mauritius amin’ny volana aprily izao. Raha tsiahivina dia nofain’izy ireo mandritra ny telo taona tamin’ny orinasa Carlyle Aviation Partners izay. A330-200 ireo fiaramanidina roa ireo izay an’ny Fiji Airways teo aloha raha ny fanazavana.
Mbola tsy tonga akory nefa ireo fitaovam-pitanterana an’habakabaka ireo dia efa misedra onjam-panakianana sahady. Handray fiaramanidina A330 Classic ny Air Mauritius nefa namarotra ireo A330 Neo teo am-pelantanany hoy ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fiaramanidina. Nilaza ireo matihanina fa handoa vola avo efatra heny ho an’ireo fiaramanidina ireo ity orinasam-pitanterana an’habakabaka ity kanefa antitra kokoa ary tsy misy « système d’in-flight » izany.
Manoloana izany dia maro ireo injeniera tsy manaiky ny fanaovan-tsonia sy tsy mankatoa ny fampiasana ireo « aéronefs » ireo.
