ActualitésTsidika

Masindray:  Mihitatra hatrany ny fahasimban’ny tetezana

Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra, ireo mponina sy mpampiasa ny tetezana izay mampitohy ny kaominina Ambohimanambola sy ny kaominina Masindray. Ao anatin’ny fahasimbana tanteraka izany ankehitriny ka mampanahy ireo mponina ny fampiasana izany.

« Nandritry ny fetin’ny paska teo dia maro tena maro ireo fiara sy olona nifamezivezy tety an-toerana. Efa iahara-mahafantatra anefa ny fahasimban’ity tetezana ity, tao anatin’ny fotoana maro maro izao. Tena mila fijerena sy fandraisana fepetra io, hialana amin’ny loza mety hiseho » hoy i Domoina, mponina ao Ambohimanambola.

“Mila fanamboarana tanteraka ity tetezana ity. Hitondra faty antoka lehibe ho an’ny mponina sy ny kaominina io raha misy ny fahasimbany tanteraka satria ho tapaka ny fifamezivezena. Fiara mampitohy amin’ny kaominina maro no mandala eto, eo ihany ireo kamiao mpitondra fasika ka ho tapaka fidiram-bola izy ireo” hoy I Onja, mpitatitra.

Efa amam-bola maro no nisy fahasimbana ity tetezana ity. Hatramin’izay, asa vonjimaika hatrany ny natao azy mba hiazonana ny fahatapahana sy ny filatsahan’ireo vy amin’ny tetezana. Ankehitriny, latsaka tanteraka ireo vy amin’ny tetezana ka miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ny tomponandraikitra ireo mponina sy ny mpampiasa izany.

Laisser un commentaire