PolitiqueTatitra

Ady eo amin’ny Israël sy Hamas : Olona fito mpitondra fanampiana maty noho ny fanafihana Israelianina

Ny alatsinainy teo, tao amin’ny ivon’ny toerana misy ny ady ao Gaza, olona miisa fito, samy hafa firenena, avy amin’ny fikambanana amerikanina « World Central Kitchen (WCK)» izay niandraikitra ny fizarana ny sakafo ho an’ny mponina ao an-toerana, no maty nandritra ny fanafihana Israelianina. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, balafomanga miisa telo no nalefan’ireo tafika nifanesy tao amin’ny fiara nitandahatry ny WCK ary nikendry ireo mpitondra fanampiana ireo. Namely ny fiara voalohany ireo tafika israelianina, saingy tao amin’ny fiara faharoa no nisy azy fito mpilatsaka an-tsitra-po ireto. Voatifitra ihany anefa ireto farany na efa niezaka niaro tena ihany aza.

Laisser un commentaire