ActualitésTsidika

Ambohimalaza: Mpangalatra amin’ny andro atoandro noraisim-potsiny

Lehilahy iray no tratra namaky trano tao amin’ny fokontany Ambohidray atsimo, kaominina Ambohimalaza. Fampilazana ny zandary no nahafahana nisambotra azy teo ampanaovana ny asa ratsiny, araka ny voalaza.

« Ny atoandron’ny 02 aprily no nahazo antso fampandrenesana ny zandary avy eto amin’ny brigady Ambohimalaza, noho ny fisian’ny mpamaky trano tao Ambohidray Atsimo. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra soa aman-tsara » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ary miseho isan’andro izany. Tahaka izao na atoandro aza dia sahy ireo olon-dratsy. Tsy misy afa-tsy ny fiaraha-mientana no vahaolana enti-miady amin’izany ary fametrahana sazy enti-manafay ireo olon-dratsy » hoy i Honoré, mponina ao Ambohimalaza.

Vata fahitalavitra, lamba firakotra, bodofotsy no nangalarin’ity lehilahy ity nandritra izany. Naverina amin’ny tompony ireo entana ireo. Ny maritoa sy ny fandraka, fitaovana fitondran’ity lehilahy ity manao ny asa ratsiny ihany koa dia hita teny aminy.

Laisser un commentaire