Sabotsy Namehana : Nisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ireo mpiara-miombon’antoka
Tamin’ny sabotsy lasa teo no nanatontosana tao anivon’ny kaominina Sabotsy Namehana ny fanaovan-tsonia, izay fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa Lalan-kely III ao an-toerana.
« Mahakasika indrindra ny fametrahana ny fitantanana iombonana sy ireo foto-drafitr’asa mahakasika ny rano sy fidiovana ary fahadiovana no tena anton’izao fiaraha-miasa izao. Nandritra izany, dia nisy ihany koa ny famindram-pitantanana teo amin’ny kaominina sy ny fikambanana Tontolo madio. Taorian’izay moa no niroso tamin’ny fanaovan-tsonia sy fanolorana ireo fitaovana ho entina miasa hanadiovana ny tanàna » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Maro ireo lalan-kely eny anivon’ny fokontany no efa mila fikarakarana sy fanamboarana. Anisan’ny mampanano sarotra ny mponina ny mampiasa azy ireo indrindra rehefa fotoan’ny fahavaratra, noho ny fiakaran’ny rano. Hirariana ny mba hanombohan’ny fanamboarana malaky ao anatin’izao fanatanterahana tetikasa izao » hoy i Tanjona, mponina ao Sabotsy Namehana.
Efa ela nandrasana izao tetik’asa fanamboarana ireo lalan-kely eny anivon’ny fokontany tsirairay izao, izay mandrafitra ny kaominina Sabotsy Namehana izao ireo mponina ao an-toerana. Antenaina araka izany fa hitondra fiovana sy hitondra fandrosoana ka ho afaka ny olana izay hiaianan’ny mponina, indrindra rehefa fotoan’ny fahavaratra.
Manitra Ramanantsoa
