ActualitésTatitra

France : Hipoka ny fonja ao an-toerana

Tsy mbola hipoka ohatran’ny tamin’ity taona ity ny fonja ao France. Raha ny tatitry ny ministeran’ny fitsarana tao an-toerana dia nahatratra ny isa farany ambony indrindra teo amin’ny tantaran’ny firenena izany tamin’ity volana novambra ity, amin’ny isa 72 809 raha mbola 72 350 izany ny 1 oktobra.

Marihina fa 60 698 isa no voafonja zakan’ireo fonja ao France. Mahatratra 120% manoloana izany ny « densité carcérale » ao amin’ny fonja ao an-toerana amin’izao fotoana. Raha tsiahivina dia ny volana martsa 2020 ny firaiketana farany ambony indrindra tao amin’ny firenena tamin’ny isa 72 575 na dia tao anaty fihibohana aza. Taorian’izany kosa dia nihena haingana ny isan’ny voafonja ary izao niverina niakatra izao indray.

Laisser un commentaire