Hetsika « Delira Event » karakarain’ny « Gasy Stand Uppers » any Antanetibe Mahazaza
Mikarakara fampisehoana hatsikana indray ny fikabanan’ireo mpampiomehy vao misandratra malagasy na « Gasy Stand Uppers » ny Alahady 15 aogositra ho avy izao any Antanetibe Mahazaza Mahitsy manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Fampisehoana maro teto an-drenivohitra no efa nokarakarain’izy ireo raha tsy hiteny ny tamin’ny Alahady lasa teo teny amin’ny IKM Antsahavola. Tanjona amin’izany fampisehoana izany ny hizara hafaliana sy hatsikana ho an’ny Malagasy indrindra taorian’ireny krizy ara-pahasalamana ireny.
« Fanirianay ny hitety faritra, hizara hafaliana ho an’ny malagasy rehetra, efa miezaka araka izay vita ka ny 15 Aogositra izao no anjaran’ny vahoakan’Antanetibe Mahazaza » hoy i Raytra Belaw’yck izay isan’ny mpanao hatsikana ao anatin’ny vondrona « Gasy Stand Uppers ». Tsy dia fahita loatra any amin’ny faritra Antanetibe Mahazaza ny tahaka izao, indrindra ho an’ireo tanora, mba miala lavitra kely ny tontolon’ny « virtuel » hoy ny tanora iray avy any an-toerana. « Efa natao ho zakan’ny rehetra ny vidim-pidirana amin’ny maha toerana misitaka kely ny renivohitra azy, mitondra ny lohanteny hoe «Delira Event» ny hetsika noho izy fotoana iray entina hampiomehezana ny olona », hoy i Aina Maharavo izay sady mpikarakara no mpanao hatsikana.
Ny fampialana voly ireo tanora dia efa isan’ny ezaka iray hirosoana any amin’ny fampandrosoana ny firenena noho izy ireo miantoka ny hoavy. Mila omena sehatra ihany ko aizy ireo hivelarany hamoahany ny talentany.
Nicole Rafalimananjara
