Alasora: 125 taona ny Fananan-tany
Hisy ny varavarana hisokatra ho an’ny rehetra ho fanamarihana ny 125 taona ny fananan-tany androany 9 Martsa ao amin’ny Domaine Alasora. Mitondra ny lohahevitra hoe “Ny Fananan-tany sy ny vahoaka”. “Asaina isika rehetra hanatrika izany hetsika izany. Natao indrindra ho an’ieo manana olana mikasika ny fananan-tany” hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora. “Isan’ny miteraka resa-be sy olana tokoa eny amin’ny fiaraha-monina ny resaka fananan-tany. Ny tsy fahalalana tokoa no miteraka ady. Fotoana izao ahafantarana izany” hoy i Rado, manam-pahaizana mikasika ny fananan-tany. Azon’ny rehetra atao ny mitsidika io varavarana misokatra ho an’ny rehetra io. Hirariana mba tsy hisy intsony ny olana aorian’ny hetsika.
