Nanamafy ny fanentanana teny amin’ny Rocade ny mpitandro filaminana
Andro vitsy taorian’ny 24 jona izay nanokanana ny lalana vaovao « rocade d’Iarivo » dia efa hita ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mpampiasa lalana. Nandray ny andraikiny taorian’izay ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.
« Tia vao ny gasy sady tia kely ka na manana zavatra tsara aza dia ny hanimba an’iny mba tsara iny foana no masaka andohany » hoy i Eliah, mpampiasa io lalana io matetika, naneho hevitra. Mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ny mpitandro filaminana ho an’ireo olona tsy manara-dalàna amin’izao fotoana izao ho an’ireo mpampiasa ny lalam-baovao.
Ny alahady 4 jolay lasa teo izao dia sarety miisa 12 no voatery naverin-dalana ary fiara miisa 10 no nasaina namonjy ny toerana voatokana ho azy ireo hoy ny Polisim-pirenena. Misy ireo olona mikasa hivarotra amoron-dalana no nobeazina tsy hanao izany fa mba hitady toeran-kafa voatokana amin’izany hoy hatrany izy ireo.
Ny tsy fanarahan-dalàna rahateo no tena miteraka ny lozam-pifamoivoizana koa rariny ihany ireo polisy raha nanao izany, eo rahateo ny mba hikajiana ny foto-drafitr’asa iombonana mba tsy ho simba sahady na haloto.
Ny fananjantsika rehetra ny lalàna napetraka no hampilamina ny firenena satria ny lalàna dia natao hamehezana antsika tsy hanao izay tiantsika atao.
Nicole Rafalimananjara
