ActualitésTsidika

Nitondra soa teto amin’ny firenena ve ny antoko « Tiako i Madagasikara » ?

Fanta-daza amin’ny resaka fanoherana ny fitondram-panjakana misy ankehitriny izany antoko « Tiako i Madagasikara » izany na fantatra amin’ny hoe TIM izay tarihan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. « Vao kely ihany dia efa henoko izany TIM izany satria izaho amin’izao 21 taona » hoy i Larissa, tanora Malagasy iray.

19 taona lasa tokoa izay no nijroany raha nanomboka ny 3 jolay 2002. « Mijoro hatrany ny Antoko ho fikatsahana ny mahasoa ny vahoaka sy ny firenena », hoy ny avy eo anivon’ny antoko. Ny sabotsy 3 jolay lasa teo no nankalazana izany tsingerin-taonan’ny antoko izany tamin’ny fomba tsotra niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy ny birao politika ary ireo mpiara-miasa. Mbola betsaka tokoa ankehitriny ireo vahoaka mpanaradia ny antoko ary indrindra ireo mbola mametraka ny fitokiana amin’ny filoha teo aloha ny amin’ny fitantanana ny firenena.

« Ka sahia, andeha hiara-dia; aza kanosa fa avia ; Ravalomanana no hitondra antsika » hoy ny ampahany amin’ny  hira fanevan’ny antoko TIM. Hanao ahoana indray ny dian’ny antoko ao antin’ny 19 taona manaraka ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire