Ambohimiandra : Nilamina ny tanàna rehefa tonga ny mpitandro filaminana
Efa niverina tamin’ny laoniny ny filaminana teny Ambohimiandra nony tonga ny mpitandro filaminana.
Raha tsiahivina ny zava-niseho, nisy savorovoro narahim-pikasihan-tanana tao amin’ny toerana fanaovana karaoke iray teny Ambohimiandra. « Tena korontana be mihitsy tety ary nisy naratra mihitsy aza. Na ny mpitandro filaminana nandamina ny zava-nisy aza dia naratra ihany koa » hoy i Vero, mponina ao Ambohimiandra. « Nilamina tsara ny taty Ambohimiandra rehefa tonga izahay. Tsy nisy fanambanana basy, tahaka ny feo miparitaka akory, nataon’ireo olona niady. Izahay Polisy avy ao amin’ny Boriborintany faharoa no nandamina ny toe-draharaha fa tsy ny mpitandro filaminana avy ao aminny fiadidiana ny Repoblika » hoy ny Polisim-pirenena.
« Nanampy betsaka tamin’ny famonjena ny ain’ireo naratra ny Polisy. Tena zava-dehibe tokoa ny fahatongavan’izy ireo tamin’izany » hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ity trano fihirahirana ity. Efa misokatra ny fanadihadihana ny amin’ny tena zava-nisy marina tao amin’ity toerana ity. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza ihany koa ireo rehetra naratra.
Nicole Rafalimananjara
