Ny tetiandro hizaràna ny vatsim-pianarana telo volana ho an’ny Oniversite Fianarantsoa
Ny alarobia lasa teo no raikitra ny fitokonana nataon’ireo mpianatra tao Fianarantsoa. Ny tany Toliara aza namoizana ain’olona mpianatra taona voalohany iray indray ny fitokonana, raha ny voalazan’ny mpianatra.
Nanolotra vahaolana avy hatrany ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Navoaka ny tetiandro mikasika ny fizarànany vatsim-pianarana ho an’ny Oniversite Fianarantsoa. Tapaka fa ny 23 hatramin’ny 25 jona izao ny fandoavana izany. Ny vatsim-pianarana fahadimy sy fahenina ary fahafito ny volana no hositrahan’ireo efa nandray ny efa-bolana voalohany niaraka tamin’ny fampitaovana. Ary kosa vatsim-pianarana fito volana miampy fampitaovana no ho azon’ireo mbola tsy nahazo izany noho ny teo amin’ny fanatobiana Nomerika na ny « digitalisation ». Ireo mpianatra ao amin’ny Oniversite Fianarantsoa kosa kanefa tsy any an-toerana amin’ireo daty ireo dia afaka misitrak any vatsim-pianarana manerana ny biraon’ny paositra rehetra akaiky azy hoy ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Oniversite.
Mitohy hatrany anefa ny fampianarana ho an’izany Oniversite izany ary ny fahaizana no lova tsara indrindra ka izany no tena tokony hifantohana bebe kokoa hoy ny mpampianatra. Ho an’ny Oniversite Toliara kosa anefa dia natsahatra aloha ny fampianarana noho ny savorovoro nisy mandra-pilaminan’ny toe-draharaha hoy ny Filan-kevitra siantifika teo anivon’izany Oniversite izany. Rahoviana vao tsy ahitana olana intsony ny fizaràna ity vatsim-pianarana ho an’ny anjerimanontolo ity ?
Nicole Rafalimananjara
