Fitaterana an-dranomasina: Mitohy hatramin’ny 2025 ny programa PSP
Mitohy hatramin’ny taona 2025 ny programan’asa ho fiarovana eny an-dranomasina na ny PSP (Programme sur la Sécurité Portuaire) izany. Na ny entana izany na ny olona dia tafiditra ao anatin’izany asa izany avokoa. Ny Commission de l’Ocean Indien miaraka amin’ny Organisation maritime international (OMI), ny Organisation international de la police criminelle (INTERPOL) ary ny Office des nations unies contre la drogue et le crime (ONUDC) no manatanteraka ny tetik’asa.
« Ny tanjona tamin’ity tetiik’asa ity dia ny fanatsarana ny fiarovana sy ny filaminana an-dranomasina any amin’ny faritra Atsinanan’ny Afrika, Afrika Atsimo ary ny faritra Ranomasimbe Indianina, mifanaraka amin’ny paikadin’ny Vondrona Afrikanina Maritime Strategy 2050 (AIMS 2050). Noho ny fgisian’ny valan’aretina covid-19 no tena antony lehibe nanitarana indray ny asa izay efa tokony nifarana tamin’ity taona ity », hoy i ean Edmond Randrianantenaina, Tale Jeneralin’ny Agence Portuaire Maritime et Fluviale (APMF).
Mifandraika amin’izany indrindra dia efa maro ireo fanamafisam-pahalalana hatolotra ireo mpisehatra an-dranomasina avy amin’ny APMF ihany. Entina indrindra izany hanatanterahana ny tetik’asa. Toy ity natao tao Morondava ity izay nampianarana ireo mpanamboatra sambo, tompon-tsambo sy mpanamory sambo ireo fenitra sy ny dingana tokony arahina amin’ny fanamboarana sambo eto Madagasikara.
Ilaina tokoa izany programan’asa izany hahafahan’ny tsirairay mandray andraikitra mahakasika izany. Raha tsiahivina dia vao andro vitsivitsy izay no nisehoana loza an-dranomasina tao Ambilobe izay nahafatesana olona miisa 24. Mial hamafisina ihany koa araka izany ny fampiharana ny lalàna mifandraika amin’ny fitaterana an-dranomasina eny anivon’ny olom-pirenena tsy ankanavaka.
Miora Raharisolo
