Mpianatra Ankatso: Nidina andalambe
13 oktobra; nidina andalambe ny mpianatra Ankatso omaly. Manao fitakiana ny amin’ny hanafoanana ny taona fotsy. Tsy manaiky ny fahatapahan’ny fianarana sy ny fitokonana lava reny izy ireo. Mangataka ireo tompon’andraikitra mba hijery ny olan’ny mpianatra.
