DépêchesTsidika

Ambatofotsy : Mpangalatr’omby miisa telo voasambotra.

13 aktobra ; Nitrangana fangalaran’omby ny farany herinan’andro lasa teo ny kaominina Tsiafahy Ambatofotsy. Niezaka nanara-dia niaraka tamin’ny fokon’olona ny mpitandro ny filaminana. Rehefa nandeha ny fanadihadiana ; nisy olona mampiahiahy izay tsikaritry ny olona teo an-tanàna. Tratra omaly nandritra ny fidinana ifotony sy ny fisavana natao tao an-tranony izy telo lahy. Voasambotra niaraka tamin’ny omby izay efa novonoina sy norasaina izay tsy nahitana taratasy mazava. Efa natolotra ny fitsarana ny raharaha; voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora izy telo lahy.

Laisser un commentaire