ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Mpianatra kely nilatsaka avy eny ambony tetezana

Mpianatra kely andeha hamonjy fianarana maraina, omaly no nisaoty avy eny ambony tetezana, tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Naterin’ny olon-dehibe ity zaza ity ary nampakana sisiny rehefa nisy kamiao nandalo ka nisaoty tanaty rano, araka ny voalaza.

“Ny tena olana amin’ity tetezana ity dia ny faheterena eto. Amin’ny maraina tahaka izao dia maro ireo mpampiasa ny lalana mifanosona sy mivezivezy ka dia tena tery eto ambony eto. Ireo fiara anefa mandeha ihany, tahakza izany ny moto sy ny mpianatra ka mila fandraisana fepetra” hoy i Sahondra, mpivarotra.

“Mila hilana fiheverena ny lalan’ny mpandeha tongotra amin’ity tetezana ity mba hisorohana ny loza tahaka izao. ireo fiara ihany koa dia tokony halamina satria tato ho ato, noho ny fitomboan’ny mponina dia maro ihany koa ireo fiara mifamezivezy, mandeha mafy sy tsy mitsinjo ny mpandeha an-tongotra” hoy i Nadia, mponina ao Ambohimanambola.

Marihina moa fa nisy tovolahy nanavotra ity zaza latsaka tao anaty rano ity ka avotra soa amantsara.

Manitra R.

Laisser un commentaire