Royaume-Uni : Vehivavy iray nitondra fiara no nifatratra tao amin’ny sekoly iray
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty ankizivavy roa tao Wimbledon, Londres. Raha ny fanazavana dia vehivavy iray 46 taona no nifatratra tao amin’ny sekoly ambaratonga fototra iray. Nandritra io fotoana io nefa dia nikarakara lanonana ny sekoly ary maro ireo mpianatra sy ray aman-drenin’ny mpianatra vory tamin’izany.
Manoloana ny tranga namoy ny ainy i Selena Lau sy i Nuria Sajjad izay samy 8 taona. Ankoatra azy ireo dia ankizy 5 sy olon-dehibe 2 ihany koa no naratra izay naratra mafy ny iray. Ilay vehivavy nitondra ny fiara kosa dia mponina ao Wimbledon ihany ary vao avy nivoaka ny fonja rehefa voaloha ny lamandiny.
Noho ny tranga nefa dia nosamborina indray noho ny fitondra fiara mampidi-doza ka miteraka fahafatesan’olona izy. Raha ny fanazavany dia fanimpanina izy tao alohan’ny nisehoan’ny tranga.
