ActualitésTatitra

Seychelles : Hisy ny rafitra fanasokajiana ireo hotely

Tsy ho ela dia hahazo kintana ireo hotely ao Seychelles. Tanjon’izany fiazonana ny fenitry ny kalitaon’ny tolotra sy ny fahafahan’ireo mpanjifa mamantatra ny kintana ananan’ilay hotely alohan’ny hanaovany ny safidiny raha ny fanazavana.

Manoloana izany dia hisy ny rafitra fanasokajiana ireo hotely. Nanamafy i Mahé fa fotoana hidirana amin’ny fitantanana tsaratsara kokoa izao, hamaliana ny hetahetan’ireo mpizaha tany ary hanomezana azy ireo tolotra mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. Herintaona no faharetan’io tetik’asa io ary hanomboka ny volana septambra izao izany.

Tompon’andraikitra samihafa no hiasa amin’izany ary hijery ny fenitry ny fikojakojana, haben’ny hotely, ny tolotra sns hoy ny lehiben’ny mpiasa ao amin’ny ministeran’ny fizahantany ao an-toerana, Sherin Francis. Hatreto kosa dia fantatra fa ireo hotely manana efitra 51 eo no omena kintana 3,4 na 5 ary hotely 21 no voakasik’izany ao an-toerana.

Laisser un commentaire