ActualitésTsidika

Alasora: Telo andro tsy nandeha ny rano teny amin’ny fokontany maro

Telo andro izao no tsy nandeha ny rano, saika hita tamin’ny fokontany maro eto amin’ny kaominina Alasora. Manao antso avo amin’iroe tomponandraikitra, ny avy ao amin’ny kaominina hijery sy hitondra vahaolana mahakasika izany.

“Efa ho 3 andro izao no tapaka ny rano eny Idoho, Miadana, Alatsinainy, Ambohitromby, eo amin’ny kaominina. Efa betsaka ny antso natao, saingy tsy mbola nisy ny vahaolana hita. Tsy tokony hiandry ny vahoaka hitroatra anefa vao handray fepetra satria zo fototra ny fahazoana rano fisotro madio” hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.

“Tsy hita izay vahaolana manoloana izao zava-mitranga izao fa ny manakarama olona hitaona rano no natao mandra-piandry ny rariny avy amin’ny tomponandraikitra. Ny rano aina, tsy maintsy misotro sy mampiasa azy ka tsy afaka hiandry fotsiny kanefa lafo ihany koa ny mampatsaka olona amin’ny tranga toa izao” hoy i Sahondra, renim-pianakaviana.

Mangataka ny hamerenana ny famatsiana rano tsy misy hatak’andro araka izany ny kaominina. Misy ihany koa ireo fantsona mitondra rano vaky, mila fanamboarana ao amin’ny fokontany Malama, sampanana Ambohidrazaka, Alatsinainy, Ambotonjara ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire