ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehilahy iray no namerin-keloka vantany vao nivoaka ny fonja

Lehilahy iray no nivoaka ny fonja tao Utah, ao Etats-Unis ny 17 febroary teo. Vantany vao tafavoaka izy dia nitady ny olon-tiany taloha avy hatrany. Rehefa hitany io vehivavy 27 taona io dia nidiany tao anaty efitra fitahirizan’entana (box de stockage) ary nodorany niaraka tamin’ny alikany.

Rehefa tonga teny tao amin’ny toerana nisehoan’ny loza ireo mpamono afo dia efa faty kilan’ny afo no novantanin’izy ireo. Nosamborina avy hatrany kosa ilay lehilahy, izay tsy vaovao amin’ny mpitandro ny filaminana intsony. Marihina mantsy fa efa nigadra 5 taona nanomboka ny taona 2018 noho ny fanaovana herisetra sy fandrahonana namono ny olon-tiany io lehilahy.

Rehefa nivoaka fotoana vitsivitsy io lehilahy io dia naverina am-ponja indray ny volana martsa 2022 noho ny fandikana lalàna maromaro. Rehefa nivoaka kosa izy dia izao namerin-keloka izao indray.

Laisser un commentaire