ActualitésTatitra

France : Tovovavy iray no voatsatok’antsy in-3 noho ny resaka lehilahy

Tovovavy roa no nifanao fotoana ny alin’ny faran’ny herinandro teo tao Sorgues, Vaucluse. Nikasa hifanazava momba ny resaka lehilahy iray samy tiany izy roa vavy ireo saingy vetivety ihany dia niakatra ny feo ary namoaka antsy ny iray tamin’izy roa vavy.

Vokatr’izany dia voatsatok’antsy in-3 ilay tovovavy iray 17 taona. Voa teo amin’ny sorony, fitombenany ary ny hatony izy. Nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany io tovovavy niaram-boina raha tafatsoaka kosa ilay nandratra azy.

Mbola tsy voasambotra kosa ilay nahavanon-doza saingy efa mikaroka azy ireo zandary ao Avignon sy ny mpiara-miasa aminy ao Sorgues. Tsy ahatahorana kosa ny an’ilay tovovavy voatsatok’antsy.

Laisser un commentaire